Fiangonana

Tenin'ny solontenan'ny Zanaka am-pielezana Ambavahadimitafo nataon'ny pasteur RAKOTOARISON Solofo tamin'ny alahadin'ny Zanaka am-pielezana 24 Janoary 2010

Eto dia mitsangana moa ny tena satria notendrena,  niangaviana hitondra ny fitenenana ho solontenan'ny zanaka am-pielezana. Dia miangavy am-panajana ny zanaka am-pielezana mba hitsangana...

Teto amin'ity fiangonana ity no naha toy izao anay,
ka dia misaotra betsaka tsy nanadino, ary indreto koa izahay tsy hanadino
fa hitrotro am-bavaka ry FJKM Ambavahadimitafo malalan'ny fo
Koa aza matahotra, aza mierikerika akory, Andriamanitra omba anareo
Ao anatin'ny fonay ity fiangonana mamin'ny fonay ity,
Tsy adino ny mampahery ny fiangonana
Indrindra ao anatin'ny zavatra sarotra nolalovany
Nefa tsarovy, anterina ihany fa velona ny Tompontsika
Ka indreo zahay hitodika any aminareo dia hanolotra tsiky, tsiky indray maka ...    :-)

Dia manofahofa tànana anareo izahay tompoko!

Publié le 27/01/2010 

Recommander cet article à un ami

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis