Faha-10 taona

Tenin'ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo noho ny famaranana ny faha 10 taona sy fanokanana ny rihana

« Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao ahy ; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko » IKor 15, 10. Jereo eto ny sary tamin'ny fanokanana
Tenin'ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo noho ny famaranana ny faha 10 taona sy fanokanana ny rihana

Ry havana malala ao amin'i Kristy

Izany tenin'ny apostoly izany no entin'ny fiangonana eto Ambavahadimitafo maneho ny finoany, satria raha dinihina ny telo taona nenti-nanana ny vola sy ny fitaovana ho an'ny taotrano tao amin'ny tranofiangonana (rihana, gorodona, alitara, varavarankely, jiro) dia tena hita ny fitantanan'ny Tompo ny isam-pianakaviana sy ny isam-batanolona tamin'ny fahazoana nandray anjara tamin'ny fandaniana rehetra : tao ireo niantoka mialoha ny vodivarotra ho an'ny orinasa mpanao trano, tao ireo nanolotra fanomezana tsikelikely hahavitana ny asa manontolo sy hamerenana ny vola nampindramina. Raha tontosa soa aman-tsara ary ny asa dia ny fanahin'ny fanetretena no asehon'ny fiangonana, satria nandray be tamin'Andriamanitra tokoa izy : nomeny mpiara-miasa nanoritsoritra ny tetikasa sy nanatanteraka izany tamin'ny firahalahiana tokoa, notolorany vola aman-karena izay azo nampiasaina ho amin'ny asam-piangonana, nomeny saina sy finiavana hahay mitantana ny volam-piangonana.

Koa azo ambara fa nody ventiny ny rano natsakaina, raha ny ezaka niaraha-nanao nandritra ny telo taona no ambara : isaorana ny vahoaka kristianina eto Ambavahadimitafo izay tsy nitarain-tana-mihepaka, ankasitrahana ny Komitin'ny faha 10 taona izay lany ron-doha sy mondron-kery tamin'ny fandaminana rehetra. Ny Tompo anie hampitombo ny fahasoavany ho aminareo !

Ambavahadimitafo, 23 Mey 2009
RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo, Mpitandrina

Jereo eto ny sary tamin'ny fanokanana 23 may 2009

Publié le 25/05/2009 

Recommander cet article à un ami

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis