Fiangonana

Tafaverina soa aman-tsara eto Madagasikara ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo

Nanao tatitra momba ny diany tany am-pitandranomasina ny mpitandrina Dr Rakotoharintsifa Andrianjatovo
Tafaverina soa aman-tsara eto Madagasikara ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo

Naharitra 20 Andro ny dian'ny mpitandrina Rakotoharintsifa tany am-pitan-dranomasina.

-          Lausanne (Suisse ):  fandaminana momba ny fanampiana ny Faculté de Théologie sy ny zava-mitranga aty amin'ny FJKM amin'ny maha-mpiandraikitra foibe azy, fihaonana tamin'ny Doyen Faculté tany Lausanne

-          Zurich : fihaonana amin' ny mpampianatra Théologie izay ho avy aty Madagasikara, fihaonana amin'ny filohan'ny Fiangonana ara-pilazantsara Reformé (fianginam-panjakana ao Zurich), conférence mikasika ny zava-manjo ny fiangonana eto Madagasikara izay naharitra 2 ora

-          Mont-Pellier : fampianarana tao amin'ny Faculté de Théologie niaraka tamin'ny mpampianatra sy mpianatra ; conférence momba ny FJKM aty Madagasikara ; fihaonana tamin'ny malagasy betsaka

-          Paris : fampianarana ny ekipa mpampianatra Baiboly ao amin'ny fiangonana reformé frantsay ; conférence momba ny fiangonana protestanta taty Afrika sy Madagasikara ; naharitra 3ora ny adi-hevitra miaraka amin'ny malagasy ;

-          Paris : fihaonana tamin'ny Conseil du DEFAP (Komity mpitantana ny departemanta frantsay momba ny asa misiona), dinika momba ny FJKM aty Madagasikara. Ny mpitandrina Rakotoharintsifa no niteny teo anoloan'izany filankevitra izany noho ny tsy naha-teo ny Filohan'ny FJKM

-          Strasbourg : fihaonana tamin'ny tompon'andraikitry ny famatsiana ny boky sy fitaovam-pianarana

-          Niara-nisakafo tamin'ny zanaka am-pielezana Ambavahadimitafo ny mpitandrina ary nipetraka tany amin'ny vahiny izy tany.

Publié le 07/04/2009 

Recommander cet article à un ami

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis