STK

Actualités

TONTOLO ANDRO MIALA VOLY

"Tontolo andro miala voly" ny Asabotsy 30 May 2009 miaraka amin'ny STK Ambavahadimitafo
TONTOLO ANDRO MIALA VOLY

Ny STK eto Ambavahadimitafo dia faly manolotra antsika ilay hetsika mitondra ny lohateny hoe "Tontolo andro miala voly".

Araka izany dia hetsika natao hialantsika voly izy io ka toy izao ny andinindininy.
Ahitana karazana lalao maro samihafa azon'ny rehetra andraisana anjara:

- ankizy: toraka kapaoka, jono tavoahangy, playstation, la ronde
- tanora: karaoke, course cheval, ping pong
- lehibe: domino, belotte, loto, rami, jeu d'echec, fanorona

Marihina fa tsy voatery ho ireo sokajy ireo no arahina fa rehefa misy mahaliana ny mpandray anjara dia afaka milalao izany hatrany izy ary tsy ireo ihany akory ny lalao azo atao fa santionany ihany ireo fa afaka manome soso-kevitra isika (eny fa na dia amin'io fotoana io mihitsy aza). Ary aza adinoina ihany koa fa hisy loka ho zaraina amin'ireo lalao izay azo ifaninanana. toy ny loto, toraka kapaoka, ...

Ny hetsika moa dia hanomboka amin'ny 9ora maraina ka tsy hifarana izany raha tsy amin'ny 5ora sy sasany hariva. Koa mahazo mahatoky isika fa hisy araka izany ny sakafo sy tsakitsaky ary zava-pisotro hamidy amin'ny vidiny mirary amin'io fotoana io.

Koa dia manantena ny fahatongavantsika rehetra izany ny STK amin'ny Asabotsy ho avy izao iara-hiala voly aminy fa hestika mahafinaritra tokoa no efa nomanina ho antsika.

Tsinjoharinosy Rahaingoarivelo,
STK Ambavahadimitafo

Publié le 28/05/2009 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur STK

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis