TENDRO no niantsoana ny hetsika nasionaly ao anatin'ny fanabeazana Tily tamin'ity taona 2009 ity,sehatra nasionaly no nanaovana izany ary ireo vondrona voasivana isam-paritany no mahazo miatrika izany.
Isan-tsampana (mavo,maitso,mena,menafify) dia manatanteraka ny Tendro ka tamin'ny alalan'ny Rodorodo Nationaly no nanatanterahin'ny Sampana Mena izany.
FANDIORANO 2009 no anaran'ny rodorodo ka ireo hevi-dehibe amin'ny projet "WASH" no nolalaovina, ireto avy izany:
-Fisotroana rano azo antoka
-Fanasana tanana amin'ny savony
-Fampiasana lava-piringa manara-penitra
Nanomboka ny Alahady 30 Aogositra 2009 tao Antanifotsy ny rodorodo ary nifarana ny Asabotsy 05 Septembra 2009 tao Ambositra.
Manodidina ny 200 Km no alaviran-dalana natao dia-tongotra ary tanàna 20 eo ho eo no voatety ka nanaovana ny fanentanana momba ny WASH.Fokonolona 24 no nandray anjara izay avy amin'ireo Faritany Tily misy eto Madagasikara
Anisan'ny solotenan'ny Faritany Antananarivo Afovoany ny Fokonolona Ralambomahay avy eto ami'ny Fileovana Ambavahadimitafo XIII. Ireto avy ny anaran'ireo Mpiandalana ao amin'ny Fokonolona Ralambomahay:
· RANDREMBASON Joany Herizo (Loholona)
· RAKOTONANDRASANA Hajatiana
· ANDRIAFANOMEZANTSOA Nada Ny Toky
· ANDRIAMAMPIONONA Soloniaina Patrice
· RAMANANKATSOINA Onivola Manjaka
Ny hafangainam-pandeha sy ny fomba fanentanana ary ny fiainam-pokonolona no tena nitsarana
ny fokonolona tsirairay ary nahazo ny isa ambony indrindra tamin'izany ny Fokonolona Ralambomahay XIII
Nahazo ny laharana voalohany tamin'ny Rodorodo nationaly noho izany ny Fokonolona Ralambomahay XIII
ary toy izao ny laharan'ireo telo voalohany:
Voalohany : FOKONOLONA RALAMBOMAHAY Ambavahadimitafo
Faritany Antananarivo Afovoany
·
Faharoa : FOKONOLONA RATSIMAMANGA Ambohimamory
Faritany Antananarivo Andrefana
·
Fahatelo : FOKONOLONA GERARD Ambohijatovo
Faritany Antananarivo Avaratra
Vaovao hafa momba ny Tily , tsidiho : http://www.scout-tily.org/
Publié le 23/09/2009
Recommander cet article à un ami[ Soyez le premier à commenter cet article ] |
Articles les plus vus