Ho fanohizana ny fankalazana ny jobily faha 60 taona , ny SAMPATI faha 13 dia hanantanteraka fivohana an-tsaha ny 28 - 2 9 Novambra 2009 any Ambatomanga. Fifaliana hoan'ny komity noho izany no hanasa an'ise mba hanatrika sy handray anjara mavitrika amin'izany lasy izany ary tokony hisoratra anarana mialoha amin'ny Rtoa Rabe Voahangy sy Rakotovao Zoely ary ny mpiandraikitra am-perin'asa rehetra.
Ny fitaova-pisakafoana no entin'ny tsirairay amin'izany, ny sara-dasy dia 3000 Ariary , ny sara -pitanterana ho an'ny fiara iombonana dia 3000 ariary , ny fandaniana ankoatran'ireo dia alaina amin'ny caisse. Ny fara fisoratana anarana dia raisina ny asabotsy 31 Novambra 2009 ao amin'ny local scout amin'ny 3 ora izay hanantanterahina ny fivoriam-be .
Publié le 12/11/2009
Recommander cet article à un ami | Voir toutes les news sur SAMPATI|
Déposé par ndrema le 13/11/2009 à 06:13:17
Ny Mpanazava sy Tily am-perinasa rehetra sy ny Tranainy ary ny vady aman-janany, ny Tonia sy ireo Komitim-Pivondronana ary ireo Sakaizan'ny Mpanazava sy Tily eto Ambavahadimitafo no hiara-hanatanteraka io fivoahana an-tsaha eny Ambatomanga io ny 28 sy 29/11/2009. Tsy maintsy misoratra anarana daholo isika mialoha ny 21/11/2009 mba hahazoana mandamina ny zava-drehetra sy hizarana ny badge ho an'ny tsirairay na mandeha fiara manokana na iombonana.
Am-pifaliana no hiarahantsika miredona ilay hira manao hoe:"Ndeha ho aiza ianareo no faly miramirana sy mailamailaka... Koa ndeha ry zareo hiaraka aminay ho finaritra tokoa ianareo leiroa" |