Tamin'ny alalan'ny fanamiana mainty tanteraka no nentin'ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA) nanatanteraka antsan-kira ny Zoma Masina faha-14 Aprily 2006 tao amin'ny FJKM Ambavahadimitafo.
Nanomboka tamin'ny 6ora hariva ny fotoana ary teo ambany fitarihan' Andrianomenjanahary Herizo mpitandrina.
"Ary tamin'izany pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin'ny hazofijaliana, Jaona 19:16" no teny noraisina ho lohahevitra hobanjinina.
Hira 13 no natolotry ny Antoko Mpihira ka ny nanokatra ny ny antsan-kira dia ny "Ry voasatro-tsilo" izay mampiseho tokoa ny fahoriana sy fijaliana nahazo an'i Jesoa mba hamonjena antsika. Tao ihany koa ny "classique" toa ny "Masina Ianao" sy "Fa mora ny ziogany ary maivana ny entany" ary "Anao ny dera ry Zanaky ny Ray" izay samy an' Haendel avokoa.
Anisan'ny nampiavaka ny antsan-kira tamin'ity indray mandeha ity ny fanaovana hira maromaro tao anaty fihirana FFPM tahaka ny "Maniry mafy aho" FFPM 107 andininy faha-2, "Haleloia,miderà ny Tomponao" (FFPM 140) sy "Midera ny Tomponao" (Antema 24).
Tsy latsa-danja tamin'izany koa ny nihirana ny sangan'asan'ny zanaky ny fiangonana toa ny "Tsia" noforonin'i Randretsa Solofo sy "Novonjenao" izay an'i Andrianizahana Simon.
Nofaranana tamin'ny fihirana ny "Velona nyTompo" sy ny "Tafatsangana tokoa" ny antsan-kira satria moa ny Zoma Masina dia efa fanambarana sahady ny fandresen'ny Tompo ny fahafatesana.
Hafatra lehibe no nezahina nampitaina tamin'ny alalan'ny antsan-kira ka enga anie mba tsy ho Paska nandalo fotsiny ny Paska 2006 fa mba tafita any amin'ny tsirairay ny hafatra ka hitondra zava-tsoa.
Eto am-pamaranana dia fisaorana no atolotra ny Ray Tsitoha noho ny fitahiany sy ny nanafiany hery ny mpikambana tsirairay ka nahatontosa ny fankalazana ny Paska 2006 ara-dalana.
Tsy hay koa ny tsy hisaotra ireo olona rehetra izay nanampy ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA) tamin'ny fanomanana rehetra.
Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena
Publié le 29/05/2007
Recommander cet article à un ami | Voir toutes les news sur AMA[ Soyez le premier à commenter cet article ] |