STA

Actualités

Ny adidin'ny Sekolin'ny Tenin'Andriamanitra

Ny adidin'ny mpitandrina, ny ray aman-dreny, ny mpampianatra...

Ny adidin’ny Mpitandrina :

- mampianatra sy manofana ny mpampianatra

- manara-maso ny ankizy rehetra tokony hianatra Sekoly alahady

Ny adidin’ny Ray aman-dreny :

- nanaiky teo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana fa “hampiditra ny zanany hianatra Sekoly alahady”

- mampirisika ny zanany hiditra ho Sekoly Alahady

- manara-maso ny fianaran-janany ao amin’ny Sekoly Alahady

- mampifanaraka hatrany ny fiainany amin’ny zavatra nianaran-janany

- mampianatra ny zanany ny Soratra Masina ao an-trano

- manohana ny asan’ny Sekoly Alahady amin’ny vavaka, vola ary toro-hevitra

- mifampidinika amin’ny mpampianatra momba ny zanany.

Ny Mpampianatra Sekoly Alahady :

- dia olona nahazo fiantsoana manokana hanao izany avy amin’Andriamanitra

- dia nanaiky izany antso izany ka neken’ny Fiangonana hanao asa fampianarana ao amin’ny Fitandremana

- dia mandalo fanomanana

- dia tsy maintsy ho Mpandray fanasan’ny Tompo na miomana ao amin’ny Katekomena

- dia ho tsara toetra, salama, mahay miara-miasa amin’ny namany, mazoto mamonjy fiofanana.

Publié le 14/06/2007 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur STA

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis