Vaomieran'ny Aim-panahy

Actualités

Niforona ny Vaomieran'ny Aim-panahy

Misy vaomiera antsoina hoe Vaomieran'ny Aim-panahy mitsangana eto amin'ny FJKM Ambavahadimitafo

- Misy vaomiera antsoina hoe Vaomieran'ny Aim-panahy mitsangana eto amin'ny Fjkm Ambavahadimitafo. Fanatanterahana karazana " Tafika Masina" eto amin'ny faritra manodidina ny fiangonana no asa ho sahanina, ary amin'ny taona 2007 izy io no hanomboka hiasa.


- Ny tanjona ho kendrena amin'izany dia ny hanampy ireo fianakaviana manana fasahiranana eo amin'ny fiainana ka hitondra fanampiana ara-pitaizana, indrindra ny ara-panahy. Ny hitaona azy ireo hanana fiainana kristiana ka hanantona ny fiangonana no kinendry farany.

- Ezaka sarotra sy maharitra io asa io koa mitaky fihomanana lalina ho an'ireo izay handray anjara amin'izany asa izany.

- Nanomboka ny fiomanana ary nisy ireo kristiana izay nanoka-tena handray andrikitra amin'izany asa izany. Koa natomboka tamin'ny fanatanterahana fisintahana natao teny amin'ny monastère "Ste Marie" eny Mahitsy - Ambohidratrimo ny 20 ka hatramin'ny 26 aogositra 2006 (monastère an'ireo mpivavaka mpitokamonina katolika).

- Ny Pasitera Rakotoharintsifa mivady no nitarika ny fiofanana. Ny lohevitra dia ny hoe "Mitady fiainana ve ianao?". Niompana indrindra tamin'ny fanomanan-tena ho an'ny tsirairay no tanjona tamin'ity dingana voalohany ity. Mbola hisy tohiny ny fiofanana fiomanana.

- Nisy 18 (lahy 12, vavy 6) no isan'ireo nanaraka ny fiofanana izay nahitana mpitandrina 5 (4 lahy, 1 vavy), masera Mamre 3, Mpiandry 1.

Publié le 14/05/2007 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur Vaomieran'ny Aim-panahy

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis