SLK

Actualités

Niarahaba ny Reny ny Sampana Lehilahy Kristiana noho ny Fetin'ny reny 2009

Nirary soa sy nanolotra fanomezana ny reny tao am-piangonana ny SLK
Niarahaba ny Reny ny Sampana Lehilahy Kristiana noho ny Fetin'ny reny 2009

Toy ny efa fanao dia nanolotra fanomezana sy fiarahabana manokana ho an'ny reny ny Sampana Lehilahy Kristiana.

Teny fiarahabana :

Amin'ny anaran'ny Jesoa Kristy Tompo no hiarahabanay anareo Renim-pianakaviana izay nahatratra izao andro izao. Andro fifaliana tokoa izany satria andro andraisana fitahiana. Hoy ny Soratra masina hoe :

« Arahabaina ry ilay nohasoavina, ny Tompo anie homba anao »

Mirary ny fahasoavan'ny Tompo ho amin'ny tsirairay avy, ho amin'ny ankohonana, ho amin'ny fianakaviana , mba ho tena vady sahaza sy mpanampy tokoa anie ianareo eo amin'ny tokantrano izay efa nametrahan'ny Tompo anareo.

Fanomezana: Ohabolana 31 : 10

Notolorana fanomezana manokana ny reny iombonana, reny am-panahy iraisana ato am-piangonana, Ramatoa Fara, vadin'ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo.

Ny reny rehetra kosa dia notolorana "marque-page" ahitana teny Soratra masina

« Iza no mahita vehivavy tsara? [Na: mahay.] Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. [Na: perla.] »

Nosafidiana tokoa izany teny ao amin'ny Ohabaolana izany satria manambara fahandrena.

Hitantsika ao amin'ny teny Soratra masina ihany ny hoe :

« Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa sady mahita sitraka avy amin'i Jehovah »

« Trano sy harena no lova avy amin'ny ray, fa ny vady endry kosa dia avy amin'i Jehovah »

Tsara singanina ny toetra manokana ananan'ny vehivavy izay tsy misy eo amin ‘ny lehilahy amin'ny ankamaroany :

- Raha mànana fomba fijery « ankapobeany » ny lehilahy

- dia manana fijery «amin'ny antsipiriany » ny vehivavy

Ary izay indrindra no hisian'ny rindran-damina eo amin'ny tokantrano.

Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amen.

Publié le 10/06/2009 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur SLK

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis