Anisan'ireo sampana velona eto amin'ny FJKM Ambavahadimitafo ny AMA.Sehatra iray izy araka izany hitaizana ireo tanora eto anivon'ny Fiangonana.
Maro tokoa isika no miandry mafy ny hiran'ny AMA aorian'ny rakitra isan'Alahady; raha zohina anefa dia tsy izay ihany akory ny asa fanompoana tanterahina ao amin'izany sampana izany.
Ny hira no fitaovana voalohany entin'ny AMA mitory ny Tenin' Andriamanitra; ny sabotsy sy ny Alahady hariva no manao ny famerenenana izy ireo. Ankoatra ny fanentanana ny fotoam-pivavahana isan'Alahady dia misy ireo antsam-panahy samihafa (Noely, Zoma masina,.)
Miara-miasa feno amin'ny Fiangonana sy fikambanana hafa koa ny AMA raha tsy mifanipaka amin'ny asa fanompoana ataony izany. Miara-miasa amin'ny sampana hafa eto am-piangonana ihany koa izy. Mandray anjara amin'ny asa sôsialy ny sampana ary tsy mijanona eto anivon'ny Fiangonana ihany.
Ny fandalinam-pinoana dia manana ny toerany manokana eo amin'ny fiainan'ny sampana; fiaraha-miasa akaiky amin'ny mpitandrina sy ny mpitandrina mpiza-draharaha no hanatanterahana izany.
Ny fifampitaizana eo amin'ireo tanora dia anisan'ny zava-dehibe eo amin'ny fiainan'ny sampana : ny fianarana, manaja fotoana, ny fifampianarana, ny fiaraha-monina sy ny fifanajana ary ny firaisankina dia vaindohan-draharaha. mandritra ny fivoahana sy ny lasy.
Indroa isan-taona no manatontosa ny fivoriambeny ny sampana ary hanasana ny Fiangonana manontolo izany. Na ny mpikambana vaovao, na ireo "anciens", na ireo ray aman-dreny mpanohana na ireo sampana hafa, eny fa na isika mbola tsy anaty sampana aza dia irian'ny AMA hanohana azy amin'ny lafiny rehetra amin'ny asa fanompoana ataony.
Tsy hira ihany akory araka izany no zavatra atao eo anivon'ny AMA fa fiainana kristianina feno no tanjon'ny asa fanompoana rehetra ; aoka tsy ho sakana ho antsika hanatevin-daharana ny sampana ny mety ho tsy fahaizantsika mihira, misy anjara toeran'ny tsirairay ao ary Andriamanitra irery ihany no omem-boninahitra amin'izany.
| Commentaires | Déposé le |
[ Soyez le premier à commenter cet article ] | |