Finoana

Mino an'Andriamanitra Ray Tsitoha aho

Fijoroana vavolombelona nataon'ilay Mpitandrina amerikana malaza, Dr Martin Luther King

Tiako ny hanambara aminareo izay nolalovan'ny tenako. Ny 24 taona voalohany teo amin'ny fiainako dia feno fahombiazana. Tsy nanana foto-javatra nanahirana na enta-mavesatra aho (...). Rehefa nanana anjara tamin'ny fitarihana ny fanoherana mikasika ny raharahan'ny aotobisy tany Montgomery aho vao nifanandrina tamin'ny fitsapan'ny fiainana. Vetivety foana taorian'ny nanombohana ny fitokonana dia nanomboka nandray antso tamin'ny telefaonina sy taratasy feno fandrahonana izahay.


Nahalana ihany izany tamin'ny voalohany, kanjo nitombo isan'andro isan'andro. Tsy noheveriko loatra ireny tamin'ny voalohany satria nataoko fa asan'ny olom-bitsy adaladala izay ho kivy rehefa nahita fa tsy hihemotra amin'ny tolona ataonay izahay.

Nandalo anefa ny herinandro vitsivitsy ary tsapako fa tsy somonga ireny fandrahonana ireny. Nanjary nisalasala aho ary nitombo ny tahotro. Teo am-pandriana aho indray alina izay, taorian'ny tontolo andro tena namizana.

Efa renoky ny torimaso ny vadiko ary efa nanomboka ho rendremana aho raha naneno ny telefaonina. Hoy ilay feo vinitra : "Henoy, ry ilay mainty, efa leony amin'ialahy izahay. Tsy afaka herinandro akory dia hanenina ialahy nankaty Montgomery". Napetrako ny fihainoana kanefa tsy nahita tory aho.

Toa indray nanarona ahy daholo ny tahotro rehetra. Tena tofoka aho. Niala avy ao am-pandriana aho ary nanomboka niasa dia nankany an-dakozia aho ka namana kafe. Vonona ny handao ny tolona aho. Niezaka nieritreritra izay fomba hisindana aho kanefa tsy noheverina fa kanosa. Tao anatin'izany fotoana fahatrotrahana saika handaozan'ny herim-poko ahy izany, no nanapahako hevitra fa hametraka amin'Andriamanitra ny zava-manahirana ahy. Nofihinoko ny lohako ary niondrika teo ambonin'ny latabatry ny lakozia aho ka nivavaka tamin'ny feo mahery.

Mbola velona ato an-tsaiko ny teny nataoko tamin'Andriamanitra tamin'iny mamatonalina iny : "Nijoro tamin'izay noheveriko fa marina aho. Kanefa matahotra aho ankehitriny. Mitodika aty amiko ny olona mba hotarihina ary raha mijoro eo anatrehany aho kanefa tsy manana hery sy herim-po dia hangozohozo koa izy ireo. Tonga eo amin'ny fetran'ny heriko aho. Tsy misy izay tavela. Tonga eo amin'ny fotoana tsy ahazoako misahana izany samy irery aho."

Tamin'izay no nahatsapako ny fanatrehan'Andriamanitra, mihoatra noho izay nahatsapako izany taloha. Toa reko ny fampaherezan'ny feo avy ao anaty nanao hoe : "Mitsangàna hiaro ny rariny, mitsangàna hiaro ny marina. Ho eo anilanao mandrakariva Andriamanitra" Nanomboka nisinda, saika avy hatrany, ny tahotro. Lasa ny fisalasalako. Vonona hifanandrina amin'ny zavatra rehetra aho.
Tsy niova ny toe-javatra ivelany kanefa nomen'Andriamanitra ny fahatoniana tao anaty aho. Nanapoahan'ny olona baomba ny tranonay, telo alina taty aoriana. Hafahafa ihany, fa tony aho teo am-pandrenesana izany vaovao izany. Ny fihaonako tamin'Andriamanitra dia nanome ahy hery sy fahatokiana vaovao. Fantatro izao fa Andriamanitra dia afaka hanome ahy hery ao anaty hisetrana ny oram-baratra sy ny olan'ny fiainana.

MARTIN LUTHER KING Hery itiavana (1969) tak.170-172

Tsara ho fantatra : I Dr Martin Luther King dia Mpitandrina amerikana, mainty hoditra, sady "docteur en théologie" no "docteur en philosophie". Nalaza tamin'ny tolona tsy misy herisetra nataony ho an'ny fitovian-jon'ny Mainty hoditra sy ny Fotsy hoditra tany Amerika izy ary izany tolona izany no nahazoany ny Loka Nobel momba ny Fandriampahalemana tamin'ny 1964.

Amboaran-toriteny navoakany fahavelony no nakana ity lahatsoratra ity, araka ny dikanteny nataon'i Daniel RALIBERA, Mpitandrina.

Publié le 14/06/2007  |   lu 33 fois

Recommander cet article à un ami

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis

[ Soyez le premier à commenter cet article ]