Ny Alahady faha 09 oktobra 2005 tamin'ny 6 ora hariva no niainga teo Mahamasina ny fiara nitondra ny AMA hanatanteraka ny lasy lehibe izay tafiditra ao anaty fandaharan'asan'ny sampana.
Efatra amby roapolo mianadahy mianaka, izay teo ambany fitarihan'ny mpitandrina Herizo Andrianomenjanahary, no indray nitodi-doha niantsinanana hamonjy ny tanànan'i Foulpointe, toerana fitsangatsanganana izay tsy zoviana amintsika intsony.
Hitsangatsangana hoy ianareo? Azo ambara fa nizotra tsy azon-tsampona ny dia na dia teo aza ny salebolebo madinidinika, ny andro rahateo alina ary ny "Hianareo no fahazavana" miredona tsy toy izany. Orana madinika no nitsena anay teo Toamasina vao mangiran-dratsy nefa toa nisava izany raha nisakafo maraina tao an-tsena tao Foulpointe izahay.
Na teo aza ny havizanana dia nanomboka sahady ny andro voalohany vao voapetraka ny entana : ankoatra ny "exploration" sy ny teny amoron-drano dia nahaliana ny "secourisme" izay toa manapaka torimaso aorian'ny sakafo atoandro, indrisy anefa fa nisy "secourisme" foana isan'andro aorian'ny sasa vilia.
Ny fandalinam-pinoana isan-kariva, izay tokony haharitra ora iray dia mihoatra foana : nahaliana tokoa ireo lohahevitra nentin'ny mpitandrina ka satry hitohy hatrany.
Taorian'ny sakafo hariva dia natao ny tatitra momba ny "exploration" na dia efa nanaikitra aza ny torimaso. Ny andro faharoa dia ny fakana sary ho amin'ny "clip" no nibahan-toerana, teo ihany koa anefa ny fianaran-kira izay manana endrika hafa noho ny mahazatra, ny "secourisme" sy ny fijerena ny tanàna ary ny fandalinam-pinoana.
Afon-dasy no namaranana ny Talata ary alinalina ihany vao natory nefa amin'ny 5 ora maraina ny fifohazana ny ampitso.
Ny Alarobia dia hazakazaka no nanombohana azy, antsasak'adiny eo no mankany amin'ny manda. Tsara sy nahaliana tokoa ny famelabelarana nataon'Ingahy Fidèle momba ny mandan'i Mahavelona fa tsy nanaisotra ny hanoanana izany, tontosa ihany anefa ny fianaran-kira hafa kely izay toa ody ambavafo mahomby dia mahomby. Natsiro ery ny sakafo maraina taorian'ny hazakazaka ary saika hadino fa hitsangatsangana any Mahambo ny fandaharam-potoana manaraka.
Ny lalao baolina sy ranomasina (manonja kokoa noho ny an'i Foulpointe!) ary ny "secourisme" no vita dia andeha "hody" any Foulpointe sahady, ny andro koa mihahariva. Mangahazo malemy dia malemy no niandry anay tao an-tanàna ary nieritreritra ny hampirina entana sy hijery voandalana sahady izahay.
Ny fandalinam-pinoana nialoha ny sakafo hariva dia nanambara sahady fa hifaramparana ny lasy lehibe 2005. Tsy nahasarona izany alahelo izany ny fampianarana mandihy izay toa manala havizanana. Ady hevitra malalaka no namaranana ny Alarobia na ny lasy raha ny marimarina kokoa.
Tamin'ny fito maraina no nandao ny tanànan'i Foulpointe izahay rehefa avy nandamina sy nisakafo maraina, niantsona fohy tao Toamasina ny fiara vao nitodi-doha nankaty Antananarivo.
Ny lasy no nifarana fa ny asa fanompoana dia mitohy hatrany, ny mitory an'i Kristy indray izany no lohahevitra amin'ny lasy lehibe manaraka. Ny dera sy ny laza tokoa anie ho an'Andriamanitra, isaorana Izy nitantana ny sampana sy niaro tamin'ny ratsy rehetra.
Mankasitraka ireo nanohana rehetra ary manantena fiaraha-miasa lalindalina hatrany amin'ny asa fanompoana rehetra ny AMA.
| Commentaires | Déposé le |
[ Soyez le premier à commenter cet article ] | |