Fiangonana

Hafatra mikasika ny fahasalaman'ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo

Hafatra avy amin'ny Filohan'ny fikambanan'ny Loholona sy diakona eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo noho ny tsy fahasalaman'ny mpitandrina

Iarahantsika mahalala fa tao anatin’ny volana maromaro izay dia tao anatin’ny tsy fahasalamana ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo.

Mbola ao anatin’ny fikarakarana ny fahasalamana ireo mpitsabo amin’izao fotoana izao. Ka noho izany dia :

Mangataka antsika mba hitondra am-bavaka

Mangataka antsika mba hitondra am-bavaka mba hiverenan’ izany fahasalaman’ny Ray aman-dreny mpitandrina izany, mba ahazoany mirihariha miaraka amintsika indray eto amin’izao fiangonana izao

Mila filaminana tanteraka ny mpitandrina

Mety mbola haharitra iray na roa volana ny fitsaboana ka mila filaminana tanteraka ny mpitandrina araky ny filazan’ny mpitsabo. Ka noho izany dia tsy afaka handray antsika ny mpitandrina mandritra izay volana iray na roa izay aloha.

Tsy atao tompon-trano mihony isika mianakavy ry havana ka miangavy antsika mba haharitra amin’izany fitsaboana izany.

Fandaminana

Misy ary noho izany ny fandaminana eo amin’ny fampandehanana ny raharaham-piangonana. Raha misy raharaha tokony hoentina eto amin’ny fiangonana dia isaky ny Alarobia dia efa vonona handray antsika ny Sekreteran’ny fiangonana ao amin’ny Akany Ralibera Daniel, na mifandray amin'ny Filohan’ny Loholona sy Diakona na ny Biraom-piangonana iray manontolo

Mila fanohanana ara-bola

Efa manana teti-bola amin’ny fitsaboana ny Ray aman-dreny mpitandrina sy ny fianakaviany isika ao amin’ny sora-bolan’ny fiangonana. Kanefa mbola mety haharitra ny fitsaboana koa dia manao antso avo ny Biraon’ny fiangonana mba hanome tànana mba ahazoana manatanteraka amin’ny tokony ho izy ny fitsaboana ny ray aman-dreny mpitandrina.

Azontsika arotsaka ao amin’ny mpitahiry volan’ny fiangonana izany eto am-piangonana isaky ny alahady, na isaky ny alarobia ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

Marihina fa hanomezana rosia ara-dalàna ary avoakantsika amin’ny mangarahara izany rehetra izany.

Fa ny zava-dehibe ry havana dia ny fitondrantsika am-bàvaka ny fahasalaman’ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo sy ny fianakaviany manontolo na amin’ny fotoana rehetra hankahery azy ireo amin’izany fitsaboana izany.

Andriamanitra anie hanome hery antsika mba hitondrantsika am-bavaka izany ray aman-dreny izany.

Nanokana fotoana manokana nitondrana am-bavaka ny Ray aman-dreny mpitandrina ny fiangonana tamin’ny Alahady 04 Oktobra 2009 nandritra ny fotoam-pivavahana.

Publié le 08/10/2009 

Recommander cet article à un ami

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis