Vaomiera fanisana

Actualités

Hafatra Pentekosta avy amin'ny FFKM

Ny Pentekosta dia isan'ny vanim-potoana iray itenenan'ny fiangonana ato anatin'ny FFKM

Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara - FFKM (Conseil chrétien des Eglises à Madagascar - Christian Council of Churches in Madagascar) Ny Komity Foibe (Le Comité Central - The Central Comitee) Hafatra Pentekosta avy amin'ny FFKM

Ry havana, Miarahaba antsika vahoaka Malagasy tsy ankanavaka, mahatratra ny Pentekosta 2008 indray, ary dia ho amintsika rehetra ny fampaherezana sy ny fiadanana avy amin'ilay "Andrianan'ny fiadanana", izay nandrava ny efitry ny fisarahana, ka miteny amintsika hoe : "Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo"(Johany 14:27a DIEM).

Ny Pentekosta dia isan'ny vanim-potoana iray itenenan'ny fiangonana ato anatin'ny FFKM, amin'ny maha-Mpaminany sy Raiamandreny azy, mitaiza, manabe, mampatsiahy, eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Ato amin'ny Firenena ny Fiangonana ka manana adidy ho fanasina sy fahazavana. Iraka manatanteraka adidy izy, fa tsy fahavalo manao kendry tohina, ka tokony ho henoina am-pitiavana, satria miteny amin'ny anaran'ny Tompo. Koa indreto misy lafin-kevitra vitsivitsy tiana asongadina :

- Ny vidim-piainana : mizaka ny tsy eran'ny aina ny maro noho ny viim-piainana; tratran'ny kenda roroka aza satria tsy maharaka ny fahefa-mividy noho ny fahakelezan'ny valin-kasasarana.

- Ny fahantrana : isan'ny mampahantra ny firenena ny mbola fanompoana andriamanin-kafa, fa tsy mifikitra amin'Ilay Andriamanitra saro-piaro.

- Ny fangaraharana tsy misy ny tena mangarahara eo amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana, eo amin'ny fampitam-baovao, ny fahalalahana miteny.

- Ny fandriampahalemana : manjaka ny savorovoro, mandry andriran'antsy ny vahoaka, topa tsy misy vidiny intsony ny ain'olombelona ankehitriny. Maro ny olona, eny fa na dia ny zanaky ny fiangonana aza, manao izay tsy maha-mendrika ny maha-kristianina : mandatsaka aina, mandainga, manodinkodina ny marina, manao fihantsiana, ka zary lasa fositra mikiky ny fandriampahalemana sy ny fiadanana.

- Ny politika : tsy mitovy hevitra ny antoko politika ka mifampiandany. Tafahoatra loatra izany matetika, ka mivadika ho fifandrafiana sy sakana ho an'ny fampandrosoana ny firenena ary tsy fifampihainoana.

Manoloana izany trangan-javatra samihafa izany, ny FFKM dia manao antso avo :

1-Ho an'ny Fiangonana :

- Eo anatrehan'ireo fahasahiranana samihafa misy, dia taomina ny fiangonana rehetra sy ny kristianina tsirairay mba hahatsiaro am-bavaka hatrany ny Firenentsika.

- Mijoroa hatrany amin'ny fahamarinana, amin'ny fahatahorana an' Andramanitra ary tariho ho amin'izany ny vahoaka.

- Mpaminany mijoro ho vavolombelon'i Kristy ny fiangonana, fa tsy fikambanana ara-politika mpanohana vondron'olona na fitondrana, fa mpitory, ny famonjena, ny rariny, ny hitsiny.

2-Ho an'ny mpitondra fanjakana:

- Mila paik'ady mahomby hanaraha-maso ireo fitaovam-piadiana sy hamoriana ireo mpitarika eto amin'ny firenentsika

- Aoka ny fanjakana handray fepetra, hanamaivanana ny vidin'entana tena ilain'ny vahoaka andavanandro - Ilana fanabeazana ny tontolon'ny fanaovana politika, mba tsy hanjary ho fitaovam-pamitahana sy fitadiavana tombontsoa manokana

- Tena ilaina ny mifampihaino sy mifanakalo hevitra eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina

- Ilaina ny mangarahara ho lalivay hanamafisana sy hanatsarana ny fiarahamonina

- Mitady ny tena marina amin'ny halahatra olona ny vahoaka

- Hamafisinay etoana ny fanolorana ny volavolan-dalàm-pifidianana nataon'ny FFKM

3-Ho antsika vahoaka malagasy

- Midera ny vahoaka Malagasy, noho ny fitiavan-tanindrazana asehony, ny firosoany amin'ny fahamatorana, ny fitadiavana ny tena marina, ny fitoniana, ny fandeferana, ny faharetam-pery

- Na izany aza anefa, aoka fahasahiana hijoro, hanohitra ny fanararaotana, ny tsy fahamarinana, ny herisetra

- Ialao ny toe-tsaina tia kely sy manararaotra, fa ireny no mahatonga ny fahalovana sy ny gaboraraka Eto am-pamaranana , dia mirary Pentekosta, andraisana tokoa ny Fanahy Masina, ka "samy ho feno ny Fanahy Masina avokoa isika rehetra (Asa 2 : 4a DIEM), hovan'Andriamanitra ka hihavao saina tanteraka, mba hahaizanareo mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sy ankasitrahany ary lavorary (Rom 12 : 2 DIEM)"

Ho amin'ny havana rehetra iray finoana anie ny fiadanana sy ny fitiavana mbamin'ny fitokiana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo. Ny fahasoavan'Andriamanitra anie homba izay rehetra tia an'i Jesoa Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety lefy. (Efes 6: 23-24 DIEM)

Amin'ny Anaran'ny FFKM Manao sonia ireo Filoham-piangonana :

- Pastora Dr Rakoto Endor Modeste
- Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona
- Vén.Bery Rakotoarimanana (Vicaire Général)
- Atoa Lala Rasendrahasina, Mpitandrina

Publié le 11/05/2008 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur Vaomiera fanisana

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis