Vaomiera fanisana

Actualités

Fivoriamben'ny Synodam-paritany eny Ambohimalaza Firaisana

Inona no atao hoe Fivoriamben'ny Synodam-paritany?

Ny atao hoe “Fivoriamben’ny Synodamparitany” dia “Fivorian’ny Synodamparitany”, izay iantsoana sy hamoriana ireo mpiara-mivavaka, isam-pitandremana na isam-piangonana (Mpitandrina, Loholona sy Diakona, Mpikambana ao amin’ny Sampana, na sampan’asa, na asa, Mpandray Fanasan’ny Tompo, olon-tsotra mpiara-mivavaka) ao anatin’ny Synodamparitany iray. Tsy ho tonga any amin’ny toerana hanaovana ny fivoriana ireo olona rehetra ireo, fa izay tonga any an-toerana, dia efa misolon-tena ny maro.

Tsy ambaratongan-pitondrana ao amin’ny Synodamparitany akory ny “Fivorian’ny Synodamparitany”, fa: fiaraha-mivavaka - fampahafantarana ny fiainan’ny Synodamparitany amin’ny alàlan’ny tatitra hataon’ny birao, araka ny andraikiny avy – tsenan-kevitra koa ho fampandrosoana ny Synodam-paritany – fiaraha-mikorana … Ny Biraon’ny Synodam-paritany no manomana, mandrindra ary mitarika ny “Fivorian’ny Synodamparitany”.

Fa inona moa no atao hoe: “SYNODAMPARITANY”?

Ny FOTODALANA sy ny FITSIPIKY ny F.J.K.M. no entina mamaritra izany:

FOTODALANA NY F.J.K.M. (pejy faha-22 sy 24)

And. 18: Ny Synodamparitany dia fikambanan’ny fitandremana maromaro araka ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe ka entin’ny Prezidà Synodaly iray (1)
And. 20 : Ireto avy ny Ambaratongam-pitondrana misy ao amin’ny Synodamparitany:

  • Ny Birao
  • Ny Mpihevidraharaha
  • Ny Komity Lehibe.”

FITSIPIKY NY F.J.K.M. (pejy faha-97, 98 ary 99)

“And. 199: Ny Synodam-paritany dia fikambanan’ny Fitandremana na Fiangonana miray faritra araka ny fandaminana sy fanapahan-kevitra ataon’ny Synoda Lehibe. Mivory indray mandeha isan-taona ny Synodam-paritany fara fahakeliny.
And 200: Ireto no andraikitra sy antom-pisian’ny Synodam-paritany:

  1. Fampaherezana ny Fiangonana amin’izay rehetra ilainy momba ny fiainam-panahiny sy ny Fitoriana ny Filazantsara.
  2. Fampiharana ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe.
  3. Fampiraisana ny Fiangonana ao amin’ny Synodam-paritany.
  4. Fitaizana ny Fiangonana matanjaka hanampy sy hanohana ny namany malemy.
  5. Fikarakarana ny asa aman-draharaha iombonan’ny Faritany manontolo sy izay hoenti-manana izany.
  6. Fiheverana izay raharaha haroso amin’ny Synoda Lehibe na izay atolotry ny Mpiandraikitra Foibe hodinihiny.
  7. Fandraisana sy fiheverana ny tolokevitra avy any amin’ny Fitandremana.
  8. Fiheverana sy fandaminana izay raharaha tsy vitan’ny Fitandremana.
  9. Fandaminana sy fitantanana ny vola ary ny fananana rehetra ao anatin’ny Synodamparitany.
  10. Fandinihina ny fangatahan’ny Fiangonana Tsimiankina ao amin’ny faritry ny Synodamparitany maniry hiverina na hiditra ao amin’ny F.J.K.M. ary mikarakara azy hodinihin’ny Mpiandraikitra Foibe.
  11. Fampiofanana sy fitaizana ireo Mpitandrina sy Mpampianatra ao aminy.

And.201: Ny Synodamparitany dia manana Fitsipika anatiny itantanan’ny isan’Ambaratongam-pitondrana ny raharaha rehetra ao aminy ka ankatoavin’izy ireo. Tsy mahazo mifanohitra amin’ny Fotodalàna sy ny Fitsipiky ny F.J.K.M. izany ary tsy manan-kery raha tsy ankatoavin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe.”

Ho antsika ato amin’ny Synodamparitany ANTANANARIVO ATSINANA, izay misy ny F.J.K.M. Ambavahadimitafo, dia toy izao ny fandaminana sy fiomanana nofaritan’ny Biraon’ny Synodam-paritany, hiatrehana ny Fivoriamben’ny Synodam-paritany amin’ity taona 2007 ity.

  • Toerana : Fitandremana AMBOHIMALAZA FIRAISANA
  • FOTOANA : Alakamisy 26 jolay 2007 manomboka amin’ny 9 ora maraina
  • Isan’ny ho tonga : heverina ho 8.000 eo ho eo, ary sakafo atoandro sahaza ireo no homanina. Ny olona tonga mivory dia samy hitondra ny fitaovam-pihinanany avy.
  • Ny isam-pitandremana, dia samy hanendry DIAKONA, hiasa mandritry ny fotoam-pivavahana, ny fiaraha-miasakafo sy ny fandaminana rehetra ilaina amin’izao Fivoriambe izao.

Toy izao ny fandaminana natao teto amin’ny Fiangonantsika – FJKM AMBAVAHADIMITAFO – hiatrehana izao Fivoriamben’ny Synodam-paritany izao:

  • Fandraisana anjara araka ny namaritan’ny Biraon’ny Synodam-paritany: 500.000 Ar.
  • Diakona hiasa: 20 (roapolo) avy ao amin’ny Sokajy faha-IV fa izy no amperin’asa.
  • Fitaterana : Fiara 2 (roa) mahazaka olona 30(telopolo) avy, no hitondra ny Diakona sy ny kristiana ho any Ambohimalaza/Antananarivo, mandroso sy miverina.

Publié le 29/07/2007 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur Vaomiera fanisana

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis