Noho ny fitahian'Andriamanitra, dia tontosa soamantsara ny fetin'ny fahazavàna fankalazàna ny faha 25 taona tamin'ny alahady 19 avril 2009. Ny birao sy ny mpiandraikitra rehetra ao amin'ny AFFA dia manolotra ny fisaorana feno ho an'ny :
- Mpitandrina Rakotoharintsifa mivady
- Mpitandrina mizà-draharaha mirahalahy
- Fiangonana manontolo tonga maro
- AMA, nanafàna ny fotoana, niaraka tamin'ny GMMC sy TITIANAH
- Sokajy DIAKONA niara-niasa
- Ray aman-drenin'ny ankizy sy ny zatovo,
- Ianareo rehetra nanotrona anay
- Mpiandraikitra ny zava-maneno
- Mpikarakara ny fiangonana
Misaotra koa ny Fiangonana tamin'ny fanohànana ara-bola, tamin'ny alàlan'ny rakitra nandritra ny herinandro masina ho fampandrosoana ny asa fitoriana ho an'ireo madiniky ny Tompo.
Ny voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany.
Ny fivoriana manaraka dia ny 26 Avril 2009 amin'ny 3 ora hariva ao amin'ny akany Ralibera Daniel.
Ilazàna koa ny mpiandraikitra rehetra amin'ny fiaraha-mivavaka amin'ny zoma 1er mai 2009 ao amin'ny MAMRE ambany amin'ny 6ora 30, ary ho tonga amin'ny fiofànana fanao isaky ny alahady voalohany ny 03 mai 2009 ao amin'ny akany Ralibera Daniel amin'ny 2 ora 30.
Publié le 29/04/2009
Recommander cet article à un ami | Voir toutes les news sur AFFA[ Soyez le premier à commenter cet article ] |