Diakona

Actualités

Contribuer

Fifidianana Diakona - Alahady 22 Aprily 2007

Nizotra tamim-pilaminana tanteraka ny fifidianana Diakona sy ny famoahana ny vokatra tamin'ny Alahady 22 Aprily 2007 teo

FIFIDIANANA : Tamin'ny 7 ora maraina dia efa nanomboka ny fandraisana ny vato-pifidianana. Marihina fa nisinisy ihany koa ireo izay, io andro io ihany, no sady nanao karatry ny mpandray no nandray dia avy eo namerina ny vato-pifidianana feno. Nitsahatra tamin'ny 12 ora sy sasany maraina teo ny fandraisana ny vatom-pifidianana.


MPANISA VATO : Nanomboka ny maraina koa dia efa nizara ireo badges ho an'izay rehetra manana andraikitra amin'ny fanisàna ny vato ny komity ny fifidianana :
- badges 10 miloko mena ho an'ny biraom-piangonana
- badges 10 miloko manga ho an'ireo ao amin'ny komity ny fifidianana miarak'amin'ny teknisiana informatique roalahy
- badges 65 miloko "oranges" ho an'ireo mpanisa vato.

FIARAHA-MISAKAFO : Raha niara-nisakafo tao amin'ny Akany ny biraom-piangonana sy ireo mpanisa vato nanomboka tamin'ny 12 ora sy sasany (akoho sy hena kisoa ny laoka), dia niasa tao amin'ny trano fisainana (tao ampitan'ny Akany) kosa ny komity ny fifidianana, nanao "contrôle" ny vato rehetra sady nametaka "numéro" tsirairay avy tamin'ireo vato : hafa ny nomerao ho an'ny vaton'ny vehivavy, natomboka tamin'ny V 001 ka niafara tamin'ny V594, ary ny vaton'ny lehilahy niantomboka tamin'ny "L001" dia niafara tamin'ny L594.

Dia notapahina roa (vavy sy lahy) mihitsy moa ireo vato tsirairay mba ihavahany. Izany hoe nahatratra 594 izany ny mpandray nandatsa-bato (mpifidy).

FANOMANANA NY FANISANA : Ny maraina nanomboka tamin'ny 7 ora moa dia ny roa tamin'ny komity no nandamina ny toerana nanaovana ny fanisàna izay natao tao amin'ny fiangonana tao ambany : nandamina ny latabatra sy ny seza itoeran'ny ordinateurs sy ny mpanisa ary ny mpanara-maso, nanaparitaka ny herinaratra tamin'ny alàlan'ny fitarihana fils electriques ho tonga any amin'ny ordinateurs tsirairay.
Nisy tanora teo amin'ny efatra teo nanampy tamin'izany. Rehefa izany dia nampandehanina daholo ireo ordinateurs ary nomena laharana tsirairay (n° I hatramin'ny XV). Nisy 15 isa izany ireo ary 3 (telo) tamin'izany no portables. Ireo ordinateurs ireo dia nindramin'ny Komity fifidianana tamin'ny mpiangona ihany.

Microsoft Excel no nanaovana ny fanisam-bato satria io no voafehin'ny rehetra ary mazava ho an'ny olona kokoa, indrindra rehefa hanisa ny vato.

FANISANA : Nanomboka tamin'ny 1ora sy sasany ny fanisàna : mpanisa vato 4 isaky ny poste izany ary samy manana ny sezany avokoa. Nihoatra telo aza satria 63 no niafaràny.

Fomba fanisàna : ny iray manonona, ny iray mijery hoe marina ilay notononina, ny iray manoratra (saisie) ao amin'ny ordinateur (feuille excel) ary ny farany mijery hoe marina ilay nosoratana (saisie). Mitandavana lava be ao anaty "colonne" iray ireo nomerao voatonona rehetra ireo.

GOUTER SY SAKAFO HARIVA : Nanao goûter (croissant sy kafe na dite) indray tamin'ny 3 ora sy sasany hatramin'ny 4 ora ka vita daholo ny fanisàna (saisie) tamin'ny 5 ora sy sasany hariva. Nisakafo hariva nanomboka tamin'ny 6 ora ary nandritra izany dia nitety ny ordinateurs tsirairay ny telo tamin'ny komity ny fifidianana nandika tamin'ny alàlan'ny "clé USB" na disquette ireo vita saisies mba hafindra ao amin'ny ordinateur-ny fiangonana izay hanatanterahana ny fandravonana ny vato rehetra.

FANANGONANA NY VALIM-PIFIDIANANA : Nanomboka tamin'ny 6 ora sy sasany teo dia efa tafafindra avokoa ireo fanisana rehetra tamin'ny ordinateurs 15 isa. Olona iray tao amin'ny komity ny fifidianana ihany no manatanteraka ny fandravonana ny vato fa atrehin'ny roa hafa izay hany afaka manampy ara-kevitra.

Fanazavana ny fomba fanisam-bato tamin'ny Microsoft Excel : iasàna tsirairay ny saisie nalaina isaky ny poste :

- Ilay mitandahatra lava be ao anaty colonne iray iny no akambana hiaraka ambony sy ambany ny laharana mitovy rehetra. Rehefa izany dia asaina isain'ilay ordinateur fotsiny ny isan'ny laharana mitovy, tsirairay avy. Ohatra ny laharana 1 misy 15 isa, ny 46 misy 156 isa, etc...

- Dia avoakan'ny ordinateur izany ny isa azon'ny laharana tsirairay, manomboka 1 hatramin'ny 674.

Atao ohatr'izany daholo ny vokatra azo avy tamin'ireo poste 15 isa ireo ary akambana ny totalin'isa azon'ny laharana rehetra.

- Ampifanandrifiana amin'ny anaran'ny mpandray tsirairay amin'izay ny laharany ary avoaka avy eo ireo laharana 75 isa nahazo vato be indrindra (mitokana ny vehivavy sy ny lehilahy).

- Natao pirinty ny vokatra ary tamin'ny 8 ora hariva dia nambaran'ny Ray Aman-dreny Mpitandrina ny vokatra ofisialy : 75 voalohany vehivavy ary 75 voalohany lehilahy.

FEHINY : Nahafinaritra ny fizotra ny fanisana. Tsy nahitàna olana na ara-teknika, na ara-olona, ny jiro tsy tapaka mihitsy (efa nisy groupe electrogène ihany natao fiandry teo) . Ny orana tampoka dia tsodrano avy any an-danitra.

Teo amin'ny fanisàna moa dia mazava ho azy fa samy nanezaka ny postes tsiarairay. Na izany aza dia ao no naha vita sasie vato 110 isa raha 60 isa ny ambany indrindra.

PROGRAMA MANARAKA : Manomboka ny 02 may 2007 dia mandray tsirairay ireo 150 voafidy ny Mpitandrina hatramin'ny 22 may araka ny calendrier izay omanin'ny komity ny fifidianana miaraka amin'ireo voafidy. Eo amin'io dinidinika miaraka amin'ny Ray aman-dreny Mpitandrina io no ahafahan'ny roa tonta manapaka na vonona hiatrika ny fifidianana farany (dingana faharoa) ilay voafidy na tsia.

Ny Ray aman-dreny Mpitandrina no manome ny komity ny anaran'ireo izay hiatrika ny dingana faharoa amin'ny fifidianana izay atao ny 24 jona 2007.

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis

Commentaires Déposé le

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Diakona

diakona

Fiombonan'ny diakona eto ambavahadimitafo.


Misy sokajy vitsivitsy mifandimby amùin'ny asa

Vaovao Diakona