SAMPATI

Actualités

Fifampiarahabana taom-baovao 2010 SAMPATI XIII

Ho fanohizana ny fankalazana ny Jobily faha-60 taona, ny SAMPATI XIII dia hanatanteraka fifampiarahabana taom-baovao 2010 ny Sabotsy 6 feborary 2010 ao an-tokantranon'ny Tily tranainy Rakotomalala Samuel mianakavy eny Antsahabe.

Manasa an'ise Mpanazava sy Tily am-perin'asa rehetra, Mpanazava sy Tily tranainy rehetra miaraka amin'ny vad aman-janany, ny tonia sy nykomitim-pivondronana ary ireo sakaizan'ny Mpanazava sy Tily eto Ambavahadimitafo. Iangaviana mba hifanentana sy hanatrika ay handray anjara mavitrika amin'izany ka ho maro hatrany isika hankalaza ny Jobily faha-60 taona.


Ny fotoana dia hanomboka amin'ny 10 ora maraina ka hatramin'ny 4 ora hariva.
Mialoha izany dia hisy ny fivoriamben'ny Komity rehetra manomboka amin'ny 9 ora tsy diso.

Fandaminana :
- Ny Komitim-pivondronana tsirairay dia hitondra tsakitsaky
- Ny Tranainy tsirairay dia hitondra ranom-boankazo 2 tavoahangy lehibe
- Ny am-perin'asa tsirairay dia hitondra vatomamy
- ny tsirairay izay manana badge kosa dia hitondra sakafo antoandro sahaza ary hitondra stylo iray hanaovana "echange de cadeau"

Publié le 27/01/2010 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur SAMPATI

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis