AMA

Actualités

Fiderana sy toriteny an-kira no ataon'ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo ny Alahady 31 Janoary 2010 eto am-piangonana

 Ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo dia hanatanteraka toriteny an-kira amin'ny alahady 31 Janoary 2010, izay solon'ny antsam-piderana nokasaina hotanterahina ny Krismasy 2009 teo ka tsy tanteraka noho ny antony iaraha-mahafantatra.

Ny hevi-dehibe izay nitondran'ny Antoko Mpihira izany dia Fiderana. Midera satria :
- nahavita ny taona 2009
- na dia teo aza ireo fitsapana nolalovan'ny tsirairay, ary indrindra ny fiangonana dia mbola afaka nijoro, afaka mitraka ary mbola manana fanantenana isika
- mbola nomen'Andriamanitra taona vaovao isika ahafahana manahy ny asa fanompoana mba ho voninahitr'Ilay Jehovah Andriamanitsika.


Ny AMA dia hanao fanamiana fotsy amin'io alahady io, ka mangataka ny antoko mpihira , ho an'izay afaka manao izany mba hanao fanamina fotsy ambony. Fifaliana lehibe ho an'ny antoko mpihira raha afaka manatanteraka izay ianao, mba hahafahantsika miaina ao anatin'ny fiderana amin'io fotoana io.

Dia ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra.

Publié le 27/01/2010 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur AMA

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis