Fiangonana

Fianarana Katekomena ho an'ny lehibe : taona 2010

Manomboka ny Asabotsy 13 Febroary 2010 amin'ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 09 ora maraina ao amin'ny Akany Ralibera Daniel ny fianarana ho an'ny Katekomena Zokiny. 7

Amin’ny maha-fianarana ho an’ny lehibe azy dia fohy kokoa ny fotoam-pianarana fa tsy tahaka ny an’ny zandriny akory. Ka noho izany dia amin’ny andro Fiakarana no hanokanana azy ireo ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.

Miantefa amintsika lehibe izay tsy mbola Mpandray ny Fanasan’ny Tompo izay te hiroso amin’ny fiomanana amin’ny Fiombonanana Latabatra amin’ny Tompo izao antso izao.

Tsy ho antsika eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ihany anefa izany, fa ho an’ny mpiara-miasa, namana, havana, ny olona rehetra ihany koa.

Publié le 19/02/2010 

Recommander cet article à un ami

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis