Diakona sy Loholona

Actualités

Fanokanana loholona sy diakona 23 Desambra 2007

Ny 23 desambra no nanokana sy nandraisantanana ireo loholona sy diakona izay hanatanteraka asa ny 2008- 2011

- Ny 23 desambra no nanokana sy nandraisantanana ireo loholona sy diakona izay hanatanteraka asa ny 2008- 2011.

- Nisy 15 ny diakona notokanana (vao lany) koa 5 vehivavy ary 10 lehilahy; ary 85 kosa ny diakona noraisin-tànana (amperin'asa ary lany indray) koa 45 vehivavy ary 40 lehilahy.

- Nisy 23 kosa ny loholona notokanana (diakona amperin'asa efa 62 taona no miakatra) koa 9 vehivavy ary 14 lehilahy; ary 43 ny loholona noraisin-tànana: 30 vehivavy, ary 13 lehilahy.

- Miisa 166 izany ny loholona sy diakona tokony handray ny asa nefa misy ihany ireo loholona zokiolona no efa reraka koa tsy afa-manatanteraka intsony ny asa.

- Noraisin-tànana ihany koa ireo mpikambana ao @ Birao-piangonana izay hanatanteraka asa 2008-2011 ihany koa:

  • Filohan'ny Diakona sy Loholona: RAMANANTSOA Guy Raymond sy RALAMBOMAHAY Mino
  • Mpitahiry vola: RAMIARISON Louisette (vaovao)
  • Mpitahiry vola mpanampy: RABEHARISON Jasmin (vaovao)
  • Mpitantsoratry ny fivoriana: RABE Voahangy sy RATOVOSON Harijean (vaovao)
  • Mpitantsoratry ny vola: RANDRIAMAMPIANINA Rakotonirina sy RAZAKABOAY Solofo (vaovao)
  • Mpanaramaso ny fitantanam-bola: RAKOTOANOSY Toussaint sy RAZAFINDRAIBE Jacques Nirina

Publié le 23/12/2007 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur Diakona sy Loholona

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis