Tamin’ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ny Alahady 31 Janoary 2010 teo no nanapahana fa :
- Horaisin’ny fiangonana an-tànana ny fiantohana ny trano hipetrahan-dRamatoa Ranaivoson Fara sy Mialy
- Ny antsipirihany mikasika izany fiantohana an’izy mianaka izany dia averina hodinihan’ny Biraom-piangonana
Rehefa nivory ary ny Biraom-piangonana tamin’ny Asabotsy 06 Février 2010 (fivoriana notarihin’ny mpitandrina délégué Randrianavalona Maholy) dia nanapa-kevitra fa hanontany ny hevitry ny fiangonana sy ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ny amin’izay soso-kevitra mikasika ny antsipirihany amin’ny fiantohan’ny fiangonana an-dRamatoa Ranaivoson Fara sy Mialy.
Miantso antsika ary ny Biraom-piangonana mba handefa soso-kevitra any aminy , na koa handefa email amin’ny adiresy contact@fjkm-ambavahadimitafo.info.
Misy ihany anefa ny fepetra izay takian’ny Biraom-piangonana amin’izany :
- iangaviana mba tsy hanao tora-po isika fa tena soso-kevitra tokoa, satria ny hevitry ny maro hono maha-taka-davitra
- amin’ny ity faran’ny volana Febroary ity no handraisana ny soso-kevitra mba ahafahan’ny Biraom-piangonana mandinika izany amin’ny volana Martsa
- iangaviana isika hametraka ny anarantsika ao Marihina fa hotazomin’ny Birao ho tsy ambara-telo izany soso-kevitra izany.
Publié le 19/02/2010
Recommander cet article à un ami[ Soyez le premier à commenter cet article ] |
Articles les plus vus