Fifohazana

Actualités

Famaranana ny jobily faha-15 taonan'ny sampana Fifohazana

Fankalazana ny famaranana ny jobily faha-XV taonan'ny Sampana Fifohazana ny Alahady 22 Marsa 2009 nanomboka tamin’ny 2 ora sy sasany tao amin'ny Akany Daniel RALIBERA

Isaorana anie Andriamanitra fa tontosa soa-aman-tsara ny fotoanan’ny alahady hariva namaranana ny fankalazana ny faha-XV taona niorenan’ny Sampana Fifohazana Ambavahadimitafo! Marobe tokoa ny olona nanatrika io fotoana tolakandro io.

 

Nanomboka tamin’ny 2 ora sy sasany mahery kely ny fotoana.

 

Rehefa natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana fohy notarihin’ny Mpitandrina Rakotonoeliarimanana dia nanolotra ny fotoana rehetra ny Filohan’ny SAFIF Ambavahadimitafo, Ramatoa Rabetsitonta Noromanalina.

 

Mialohan’ny famekabelaran-kevitra (tapany voalohany) hataon’ny Mpitandrina Razafiarison Emilien dia nifandimby nitsangana nandray anjara ny antoko mpihira telo trano:

 

Ny AMA (Antoko Mpihira Ambavahadimitafo) : “Ry olona ô! Moa fantatrao izay atao hamonjena anao? “

Ny antoko mpihira Maintimolaly Ambohitantely : “Saingy tsy foinao”

Ary ny antoko mpihira Ilo Fitiavana avy any Andriampamaky : “Io sitraponao io”.


Ny loha-hevitry ny famelabelarana dia  ny hoe "Aiza no hiafaran'ny lalanao?"


Tao aorian'ny famelabelarana dia nanao hira ny antoko mpihira telo trano:

 

Maintimolaly Ambohitantely : “Sambatra ny manana an’i Jesoa”

AMA : “Hangina aho ry Tompo “

Ilo Fitiavana: “Satria Jesoa tsy ilaina” ary “Jeso no làlana”.

AMA : “Jeso irery ihany no làlana “

 

Namarana sy nanome tso-drano ny Mpitandrina Rakotonoeliarimanana rehefa nisaotra ny rehetra ny mpanolotra.

Publié le 22/03/2009 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur Fifohazana

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis