Fiangonana

Dr. RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo, mpitandrina dia nodimandry ny talata 22 Desambra 2009

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, Fitandremana Ambavahadimitafo, Ny Biraom-piangonana, Ny Diakona sy ny Loholona, Ny Sampana sy Asa rehetra ary ireo Vaomiera, Ny Kristiana rehetra
Dr. RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo, mpitandrina dia nodimandry ny talata 22 Desambra 2009

Ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara, Fitandremana Ambavahadimitafo,
Ny Biraom-piangonana,
Ny Diakona sy ny Loholona,
Ny Sampana sy Asa rehetra ary ireo Vaomiera,
Ny Kristiana rehetra,
Dia mampandre fa


Dr RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo
Mpitandrina

dia nodimandry ny Talata 22 Desambra 2009.


Ny fandevenana dia ny Alakamisy 24 Desambra 2009 aorian'ny fotoam-pivavahana amin'ny 12 ora atoandro.



"Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra". Salamo 103-2

Publié le 23/12/2009 

Recommander cet article à un ami
Déposé par NyH le 30/12/2009 à 13:58:32
Miaraka ory aminareo rehetra aho amin'izao nahalasanana an'i Pastera Tovo izao. Tsy afa-mnanoatra noho ny elanelan-tany fa aty Afrika atsimo aho no nandre ny vaovao. Mirary indrindra ny fiononana feno ho an'i Ramatoa Fara sy i Mialy ary ny fianakaviana manontolo. Mampahery ihany koa ny fiangonana noho ny fandaozan'ny ray aman-dreny iombonana izao. Nikely aina fatratra izy nampita marina tamintsika ny tenin'Andriamanitra araka ny fandalinany izany. Ho amintsika rehetra anie ny fiadanana . Ny Hasina RAHARINORO
Déposé par sitraka le 28/12/2009 à 06:49:10
Mandria am-piadanana Pasitera, tsy ho adinonay mihintsy ny anatra rehetra navelanao ho anay. Mankahery ny fianakaviana sy ny mpiara mivavaka rehetra.
Déposé par lachrira le 23/12/2009 à 17:32:37
Vaovao tampoka tsy nampoizina ary mampalahelo tokoa ny nahenoina ny nahafatsan'i Pasteur Tovo. Azo lazaina fa izy no isan'ny théologiens malagasy ambony sy nalaza indrindra, reharehan'ny tanindrazana sy ny fiangonana. Izay rehetra namaky ny thèse-ny "Conflits à Corinthe", dia sady liana no faly satria misy Malagasy ambony fahaizana toy i Pasteur Tovo. Raha nanantona an'Itompokolahy aho tamin'izaho tany an-tanindrazana, dia tsy nitsahatra nanampy ahy sy namporisika ahy Itompokolahy amin'ny fianarako théologie. Vao 46 taona izy dia nantsoin'ny Ray hody any aminy. Tanora dia tanora izany, ary vao miasa mampalahelo. Hapetrakintsika rehetra amin'ny Tompo Izy, ary mivavako ho an'ny fianakaviany. Mankahery ny fiangonana rahavavy Ambavadimitafo tratra izao fahoriana be izao. Mandria am-piadanana Pasteur Tovo Past. Christian RASETA, FPMA Tafo Nancy
Déposé par Rals le 23/12/2009 à 13:48:40
Malahelo tokoa ny fo ary mirotsaka ny ranomaso fa ny ray aman-dreny ara-panahy, ny zokibe toa ray no nodimandry. Isaorana anefa Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra fa na mafy tokoa aza izany dia Izy no mahalala izay tsy takatry ny saintsika, Izy no Mpitantana sy Mpandahatra ny fiainantsika. Isaorana Izy nanome an'i Pasitera Tovo niara-nanompo Azy, nampahery antsika, nitari-dalana sy nitaiza ny finoantsika an'i Kristy. Ary vavolombelon'izany finoana an'i Kristy izany rahateo Pasitera teo anivontsika tamin'ny fahavelony. Mirary fiononana sy fampaherezana feno avy ami'Izy Tompo tompon'ny finoantsika sy mpanefa azy ho an-dRamatoa Fara sy Mialy zanany, ny mpiray tampo aminy, ny fianakaviana, ny fiangonana dia isika rehetra. "... ampianaro hahazaka fitondrana tianao, ilazao mba hahalala fa izao no sitrakao..."
Déposé par MiranaT le 23/12/2009 à 12:32:07
Repose en paix pasteur, et toutes mes condoléances a sa famille. Merci pour les conseils que tu m'as donne avant de partir, et un GRAND MERCI pour DIEU de nous avoir donner un homme tel que vous! Au revoir.....
Déposé par jo le 23/12/2009 à 11:17:23
Malahelo tokoa tsy mba afaka mifanotrona amintsika rehetra kanefa dia miombom-po tanteraka sy mampahery ary mitondra am-bavaka antsika rehetra @ izao fodiamandrin'i Pasteur izao. Mahatsiaro manokana an-dRamatoa Fara sy Mialy. "Mandria am-piadana Pasteur".
Déposé par jo le 23/12/2009 à 11:16:20
Malahelo tokoa tsy mba afaka mifanotrona amintsika rehetra kanefa dia miombom-po tanteraka sy mampahery ary mitondra am-bavaka antsika rehetra @ izao fodiamandrin'i Pasteur izao. Mahatsiaro manokana an-dRamatoa Fara sy Mialy. "Mandria am-piadana Pasteur". Bakoly sy Riri RALIBERA.
Déposé par jo le 23/12/2009 à 11:15:11
Malahelo tokoa tsy mba afaka mifanotrona amintsika rehetra kanefa dia miombom-po tanteraka sy mampahery ary mitondra am-bavaka antsika rehetra @ izao fodiamandrin'i Pasteur izao. Mahatsiaro manokana an-dRamatoa Fara sy Mialy. "Mandria am-piadana Pasteur".
Déposé par Raranto le 23/12/2009 à 10:05:36
Mandria am-piadanana Pasitera... Isaorana ny Tompo ny nanomezany anao ho anay... Betsaka ny anatra, fampianarana, ny asa niarahana natao ary fahombiazana hatrany izany koa ny Dera sy ny laza ary ny voninahitra anie ho an'Andriamanitra hatrany... Mankahery ny fianakaviana sy ny mpiara mivavaka rehetra.

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis