Mendrika

Actualités

Conférence momba ny fialàna amin'ny zava-pisotro mahamamo sy zava-mahadomelina

Conférence natao tao amin'ny Akany Ralibera tamin'ny 28 martsa lasa teo izay nataon'ny dokotera RAFARAMALALA Suzanne miasa ao amin'ny Toby FLM Ambohibao

Daty: ALAHADY 28 Mars 2007

Toerana: Akany DANIEL RALIBERA

Mpandahan-teny : Dokotera RAFARAMALALA Suzanne Miasa ao amin'ny Toby FLM Ambohibao

1 - Tanjona : Hahatonga ny olona voafatotry ny zava-pisotro mahamamo sy ny zava-mahadomelina handray an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy manokana

2 - Ny asa rehetra ao amin'ny Toby dia mifototra amin'ny Fitoriana ny Filazantsara Fampaherezana sy ny famoahana demonia Fifampitondrana ao anatin'ny firahalahiana kristiana

3 - Ny andraikitry ny dokotera Mitsabo ny marary amin'ny fanafody sy ny toro-hevitra Manara-maso ny fivoaran'ny toe-pahasalamany

4 - Ny asa sy Andraikitra raisina manoloana ny olona voagejan'ny zava-pisotro misy alikaola sy ny zava-mahadomelina ao amin'ny Toby Mresaka sy mihaino azy mba hahatsara ny fifandraisana Manoro-hevitra azy amin'ny lafin-javatra rehetra Manambara ny Fitiavan'Andriamanitra aminy Mangataka ny Fanahy Masina mba hiasa ao anatiny mba handraisany ny Famonjen'i Kristy Ny fepetra :

a) Manaiky ny foto-kevitra ankapobeny ny fianakaviana sy ilay olona (fitoriana sy fitaizana) b)Manaiky ny fifampifehezana amin'ny fiaraha-monina misy ao amin'n Toby

5 - Ny vokatra andrasana : Mahabe fampanantenana satria ny fitoriana sy ny fitaizana dia tokony hitarika amin'ny fiovam-panahy ka miteraka fiainana vaovao ho an'ilay olona. Ny "Rechute" dia azo ialana tsara satria mitohy ny fitaizana amin'ny alalan'ny Asa sy Fampaherezana

N.B: Ny toby dia tsy manao "Désintoxication" fa miankina manontolo amin'ny Asa Fitoriana sy ny famonjena nataon'i Kristy

Publié le 12/04/2007 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur Mendrika

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis