Fiangonana

Batisa hatambatra ny 15 Novambra 2009

Fandaminana mikasika ny fotoana fiofanan'ny ray aman-drenin'ireo atao batisa sy fiofanana ho an'ny hanorina tokantrano

Ny fotoana hanatanterahana ny batisa ho an'ny ray aman-dreny mana-paniriana hanolotra ny zanany ho amin'ny sakramentan'ny batisa dia hatambatra amin'ny alahady 15 Novambra 2009.

Ny fiofànana ho an'ireo ray aman-dreny dia iarahana miaraka amin'ny pastera Harry ny Zoma 6 Novambra 2009 amin'ny 15h.

Misy kosa ireo maniry ny hanorina tokantrano ka ny fiofànana voalohany dia ny Zoma 6 Novambra 2009 ihany fa manomboka amin'ny 13h30.

Izahay ao amin'ny fandraharahana dia mandray anareo vahoaka kristianina ihany koa ny talata, alarobia ary ny alakamisy tolakandro manomboka amin'ny 15h ka hatramin'ny 17h.

Publié le 30/10/2009 

Recommander cet article à un ami

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis