Rihana

Actualités

Amin'ny 06 Mey 2007 no mifindra ao amin'ny trano fiangonana vaovao

Resadresaka tamin'ny filohan'ny komity faha-X taona, Randriamahazomanana Jacquis

Ny fananganana ny rihana dia efa vita tanteraka, fa ny fanaovana ny famaranana na finition izany no hohezahina ho vita alohan'ny faran'ity volana ity.


Dia ny fifindrana izany no efa tapaka fa amin'ny 06 mey 2007. Ao anatin'izany programan rehetra izany no hiseraserana ohatran'izao; miresaka amin'ny mpiangona ato, maka ny heviny hoe inona no hevitry ny tsirairay, satria ity tranon'Andriamanitra ity dia isika rehetra no angatahiny hanao azy, fa izahay dia irakiraka fotsiny mitovy amin'ny be sy ny maro ihany.

Teknika : Misy karazany 3 lehibe izay mbola ao anatin'ny finition:

- Ny fandrafetana ny jiro izay hanazava antsika ao am-piangonana amin'ny fotoam-pivavahana

- Ny serasera amin'ny feo sy ireo ilaina hanatontosan'ny chorale ny anjarany eo amin'ny fiangonana, ny mpitendry zava-maneno, ny orga, ny haut-parleur rehetra izay tsy maintsy hapetraka hahafahantsika mihaino tsara ny toritenin'ny pasitera.

- Rehefa izany rehetra izany no vita, dia eo koa ny ventilation na fampangatsiahana ny mpiangona, satria mitombo dia mitombo tokoa ny isan'ny mpiangona satria rehefa vita io fiangonana io dia manantokantona ny 1000 mahery any ny mpiangona zakan'ny fiangonantsika.

Ka noho izany dia misy extracteur izay efa hezahina amin'izao fotoana, karohina ny hametahana azy, kajin'ireo teknisianan'ny fiangonana.

- Manaraka izany, ny ivelan'ny fiangonana dia efa nanomboka nolokoina; ao anatin'izany ny
zaridaina, ny tokontanin'ny fiangonana rehetra. Misy programa izay ao tenenina hoe : hisy dallette ho apetraka amin'ny tokontanim-piangonana, misy koa ny fanavaozana ny varavaram-piangonana, sns maro izay tsy hovoatanisako eto androany daholo fa isika rehetra mpiangona no mahita azy.

Publié le 14/06/2007 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur Rihana

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis