Finoana

Aloky ny fahasambarana - fizarana faharoa farany

Vao nitraka anefa ry zareo dia taitra satria efa tsy teo intsony ilay olona. Tena gaga ry zareo, fa iza iny ? Fa inona iny ? sady natahotra "sao dia matoto eh ?"

Sady nangovitra izy roa kely ka namaly hoe : ieee !

Nanontany ihany ilay olona : "f’angaha moa ianareo tsy mitovy amin’ny ankizy rehetra ihany eh ? "

Namaly izy roa : "mitovy ka ! "

Hoy ihany ilay rangaha : "sambatra ary ianareo sa mijaly ? "

Namaly indray izy roa : "sambatra ka "

Nipetraka teo alohany ilay lehilahy ka nanontany : "azafady ange ! ianareo roa angaha manana baiboly ? "

Dia namaly i LILA izay nanomboka tsy natahotra : "manana izahay, no sady mpianatra sekoly alahady. Fa ahoana kay ? "

Dia namaly ilay lehilahy fa : "ianareo izany no tena sambatra ! "

BAHOLY : zany ve ! (sady faly ery !fa ahona ary eh !)
Hoy ilay rangaha "…mandalo izao rehetra izao sy ny filany… " rankizy I JAO : 1/17a, tenin’Andriamanitra izany hoy ilay rangaha. Gaga izy roa fa hainy hatramin’ny toko sy andininy nefa tsy misy Baiboly teny an-tanany.

Nitohy niteny ihany ilay rangaha ka hoy indray izy "misy teny tonononareo isan’alahady ao am-piangonanareo ao, tadidinareo ve ? ilay hoe : Sambatra ny mahitsy lalana sy mandeha araka ny lalan’i Jehovah, ary sambatra ny mitandrina ny tenin’ny vavolombelona ka mitady azy amin’ny fony rehetra ; sy ilay hoe : Sambatra ny olona izay voavela heloka sy voasarona ny fahotany ary sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny (SAL32 :1-2) ; ary aza adino koa ny manatanteraka ny tenin’i Jesoa Kristy ao amin’ny MAT 5/3-12 .Vakio ny Baiboly nareo rehefa tonga any an-trano ary aza adino koa ny APOK :1/3 sy APOK :22/14 dia ilazao izay mbola tsy mahatsiaro ho sambatra. "

Niara-niondrika izy roa ka nifanontany hoe : fa iza io eh? tena mahay Baiboly be, andao amin’izay hody ka !

Vao nitraka anefa ry zareo dia taitra satria efa tsy teo intsony ilay olona. Tena gaga ry zareo, fa iza iny ? Fa inona iny ? sady natahotra "sao dia matoto eh ? "
Niainga ihany izy roa ka velon-kira indray nony avy eo.

"Sambatra aho Jesoa ôh ! manana Anao Tompon’ny hery , sambatra aho Jesoa ôh ! miankina eo an-tratranao. Ampy ho ahy ny fitiavanao, ampy ho ahy ny finoaka Anao. Raketiko ao am-po lalandava fa reharehako Ianao ! "

Publié le 21/10/2007 

Recommander cet article à un ami

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis