Vaomieran'ny Aim-panahy

Actualités

Alahady 05 avril 2009 : Tantaran'i Joba sy ny fijalian'i Jesoa Kristy

Tantaran'i Joba sy ny fijalian'i Jesoa Kristy no nokarakarain'ny Vaomieran'ny Aim-panahy nandritra ny fotoam-pivavahana Alahady 05 avril 2009 maraina. Jereo ny sary!
Alahady 05 avril 2009 : Tantaran'i Joba sy ny fijalian'i Jesoa Kristy

Tantaran’i Joba sy ny fijalian’i Jesoa Kristy no nokarakarain’ny Vaomieran’ny Aim-panahy nandritra ny fotoam-pivavahana Alahady 05 avril 2009 maraina.

Hita tao ny maha-izy azy an’i Joba, ny fitsapana nahazo azy ary ny fahafahany indray. Naseho teo an-kilan’izany ny fijaliana nahazo an’i Jesoa tao Kalvary.

Fiainampanahy vaovao tokoa no niainan’ny fiangonana tao, indrindra noho ny fisian’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo tao anatin’ny tantara sy ny fampiraisana ny mpiangona rehetra amin’ny alàlan’ny fifanolorana teny masina ary koa ny fiarahana mandihy ao anaty trano fiangonana !

Talohan’ny fidirana moa dia efa nisy ny fanasan-tongotra izay nizotra tsara ka nandraisan’ny olona hafatra manokana.

Ankafizo ary ny sary vitsivitsy tamin'io fotoana mihavaka io, izay hifampizaranay aminao am-pifaliana tokoa!

>>Jereo eto ny sary


 

Publié le 07/04/2009 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur Vaomieran'ny Aim-panahy

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis