Fifohazana

Aiza no hiafaran'ny lalanao?

Famelabelaran'ny Mpitandrina Emilien RAZAFIARISON, ravahan'ny antoko mpihira telo trano (AMA, Maintimolaly Ambohitantely, Ilo Fitiavana Andriampamaky) tao amin'ny Akany Daniel Ralibera ny 22 marsa 2009 nanomboka tamin'ny 2 ora sy sasany
Aiza no hiafaran'ny lalanao?

“AIZA NO HIAFARAN’NY LALANAO ?”

 

1)      Mpivahiny isika eto an-tany nefa tsy fantatra izay ialànao.

 

Misy andininy maro ao amin’ny Soratra Masina manazava izany :

 

Hebreo 11 and 13-16 : “Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tety ambonin’ny tany izy. 14 Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy. 15 Ary raha tahiny nahatsiaro ny tany nialàny izy, dia ho nahita andro hiverenany. 16 Fa amin’izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ireo Izy.”

 

I Tantara 29 and 14-15 : “Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toa izao? Fa avy Aminao ny zavatra rehetra, ary avy taminy Anao ihany no nanomezanay Anao. 15 Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay ety an-tany, ka tsy misy fanantenana.”

 

Salamo 119 and 19 : “ Vahiny ety an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.” (maninona eto ampivahiniana aho?)

Aiza ny lalana tokony hizorana? Ohabolana 8 and 1-2 : “Tsy miantso va ny fahendrena, ary

tsy manandra-peo va ny fahalalana? 2 Eo an-tampon’ny fitoerana avo amoron-dàlana sy eo an-tsampanan-dàlana no ijoroany.

 

Manaraha ny tenin’i Jehovah raha tsy izany dia  faiziny ianao.

 

Jeremia 6 and 16 : “Izao no lazain’i Jehovah : Mijanona eo an-dàlana hianareo, ka izahao, ary anontanio izay làlana masaka hatry  ny ela. Dia izay làlana mankany amin’ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo;

 

Nefa hoy izy : Tsy hizotra izahay.

 

II Tantara  36 and 12-19 : “Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan’i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin’Andriamanitra. 13 Ary nikomy tamin’i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy haverina ho amin’Andriamanitry ny Israely. 14 Ary ny lehibe rehetra tamin’ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ny jentilisa ka nandoto ny tranon’i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy. 15 Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony sy ny fonenany. 16 Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy. 17 Koa nentiny namely azy ny mpanjakan’ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ny sabatra tao an-trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa. 18 Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny rakitry ny tranon’i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, - ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa. 19 Dia nodorany koa ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny màndan’i Jerosalema; ny lapan’andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin’ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany.”

 

FEHINY : Mpivahiny ianao ary tsy misy manafaka anao afa-tsy Andriamanitra amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy.

 

AIZA NO HIAFARÀN’NY LALANAO ? (Destination finale)

Tsy misy afa-tsy ilay nitsangana tamin’ny maty no afaka manambara izany.

Tsy ho any Jerosalema Vaovao ianao raha tsy ao aminao Kristy, velona ao anatinao.

 

Jaona 14 and 6 : Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”

 

 Hebreo 9 and 27-28 : “Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana, 28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ota, amin’izay miandry Azy, ho famonjena.”

 

Jaona 1 and 12-15 : “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, 13 dia ireo izaytsy nateraky ny ra, n any sitrapon’ny nofo, n any sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra.

14 Ary ny Teny dia tonga nofoka nonin,a amintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’nny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. 15 Jaona nanambara Azy ka niantso hoe : Izy ilay nolazaiko hoe : Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.

 

Apokalypsy 21 and 10-15 : “Ary nitondra ahy tamin’ny Fanahy ho any tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema,midina avy tamin’Andriamanitra any an-danitra, 11 sady manana ny voninahitr’Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy,manganohano ,toy ny vato kristaly; 12 ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin’ny folo izy, ary eo amin’ny vavahady dia misy anjely roa ambin’ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny amin’ny firenena roa ambin’ny folo amin’ny zanak’Israely;13 eo atsinana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo. 14 Ary ny màndan’ny tanàna dia nisy fanorenana roa ambin’ny folo, ary misy anarana roa ambin’ny folo koa eo, dia ny an’ny Apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry. 15 Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany.

 

Apokalypsy 21 and 21-27 : “Ary ny vavahady roa ambin’ny folo dia pèrila roa ambin’ny folo; pèrila iray avy ny isam-bavahady; ary ny làlambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano. 22 Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ondry no tempoliny. 23 Ary ny tanàna tsy mba mil any masoandro na ny  volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak’ondry no fanazavana azy. 24 Ary ny firenena maro no handeha amin’ny fahazavany; ary ny mpnjakan’ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny. 25 Ary ny vavahadiny tsy hirindrina akory amin’ny andro (fa tsy mba misy alina ao). 26 Ary ny voninahitra sy ny hajan’ny firenena maro dia ho entina ao anatiny. 27 Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana izay an’ny Zanak’ondry ihany.”    Amen.

Publié le 22/03/2009 

Recommander cet article à un ami

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis