AMA

Actualités

"Vavaka an-kira ho fanoloran-tena noho ny fahasoavana", fotoana Gospel

Resadresaka tamin'ireo mpitarika hira ao amin'ny AMA, Andrianizahana Simon sy Razakaboay Solofo

Fanompoam-pivavahana tamin'ny endrika Gospel no nataon'ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo tamin'ny Alahady 20 mey 2007 teo.


Izany fotoam-pivavahana Gospel izany moa dia karazana famerenana ny Concert de Noel farany teo ihany, fa amin'ny endrika fanompoam-pivavahana kosa fa tsy fampisehoana akory.

Manarak'izay dia nifanaraka tamin'ny fifindrana tato am-piangonana, izay azo lazaina fa vita amin'ny endrika vaovao sy tsara tokoa, iny fotoam-pivavahana iny.

Ny fanomanam-panahy natao tamin'ny fiangonana nialoha ny fifindrana mantsy dia ny hoe  "Manao ahoana kosa ianao izay hiditra ao amin'izany trano fiangonana nohavaozina izany?". Ka izay indrindra no nisafidiana ny lohahevitra "Vavaka an-kira ho fanoloran-tena noho ny fahasoavana". Ka noraisin'ny AMA ho adidy, amin'ny maha antoko mpihira azy na mpitory filazantsara amin'ny alalan'ny hira ; ny nanatanteraka iny fotoam-pivavahana Gospel iny mba hitarihina ny olona amin'io lohahevitra nosafidiana io.

Hafa noho ny mahazatra ny fanompoam-pivavahana satria manana endrika mientanentana kokoa. Tsy hoe hira mahafinaritra fotsiny no hita ao fa ilay fiainana izany Gospel izany mihitsy no nohezahina nampitaina tamin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra.

Manakaiky ny fo kokoa tokoa mantsy izany karazan-kira Gospel izany ka ahafahana mitaona ny olona amin'ny vavaka sy fanoloran-tena ho an'Andriamanitra. Nitondra hafanam-po ary fifaliana amin'ny fanompoana ny Tompo, ho an'ny mpikambana tao amin'ny AMA (Antoko Mpihira Ambavahadimitafo) tokoa ny fanomanana sy fanatanterahana iny fotoana iray iny.

Nipetraka teo amin'ny toeran'ny mpitory ny ankizy tsirairay ary nahatsiaro ho nampita zavatra tamin'ny vahoakan'Andriamanitra. Voninahitra ho an'Andriamanitra satria amin'izao fotoana izao dia nitombo tokoa ny isan'ny mpikambana ao amin'ny AMA (50 eo ho eo).
Mahafaly ny mpitarika tokoa izany satria midika fa mahatarika olona ny programa izay apetraky ny AMA ary midika fitomboan'ny mpitory eo amin'ny fiangonana izany.

Ho an'ny mpampianatra hira dia tsara foana ny fitomboana na dia mety ho sarotsarotra kokoa aza ny famolahana ny ankizy amin'ny teknika maro momba ny fihirana satria samihafa avokoa ny fahaizan'ny tsirairay, ny feony. Anjaran'ny mpampianatr'hira moa no mandavorary izany rehetra izany. Ny paik'adin'ny mpampianatr'hira amin'izao dia ny hampihezaka ny tsirairay mba hahatoky ny tenany, mba hahatontosa ny zavatra nampianarina amin'ny fotoana hihirana. Ny hafatra kely avy amin'ireo mpitarika hira ireo ho antsika mpamaky dia ny hoe : "Eh! ny hatsaran'ny fiderana an'Andriamanitra. Tsara ny midera Azy fa mazotoa midera ny Tompo".

Ary ho antsika mpikambana dia mazotoa lalandava amin'ny asan'ny Tompo, amin'ny fanompoana izay efa nekenareo ; ary hanao bebe kokoa hatrany noho ny efa vitanareo ; satria tsy ho very maina ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.

Publié le 14/06/2007 

Recommander cet article à un ami   |   Voir toutes les news sur AMA

[ Soyez le premier à commenter cet article ]

Déposer un commentaire


Vous devez vous identifier ou bien vous inscrire avant de déposer un avis